Fandriampahalemana

Zandarimariam-pirenena Notoloran’ny UNESCO fitaovana


  • Alarobia 14 Jona 2017

Notanterahana omaly talata 13 jona 2017 tao amin’ny Toby Ratsimandrava ny fifanaovan-tsonia teo anivon’ny zandarimariam-pirenena sy ny UNESCO mikasika ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.

 

Nandritra izany dia nisy ihany koa ny fanolorana solosaina sy « imprimante » vaovao ho an’ny « Centre de documentation et d’information » eto amin’ny foibe fibaikoana mba hoentina hanatsarana sy hampandehanana ny asa rehetra izay atao ao. Nambaran’ny solontenan’ny UNESCO fa mbola vonona ny hanampy hatrany ny zandarimariam-pirenena, araka izay vitany mikasika ireo filana mahakasika ny asa izy ireo. Nitondra ny teny fisaorana kosa ny jeneraly Randriamanarina Jean Christophe, lefitra voalohan’ny komandin’ny zandarimaria, izay nisolotena ny komandin’ny zandarimariam-pirenena, noho izao fahavitan’ny sonia fiaraha-miasa izao, ary koa ho fankasitrahana tamin’ireo fanampiana ara-pitaovana ireo. Manantena ny tenako, hoy izy, fa hitohy hatrany ny fiaraha-miasa. Ny zandarimaria kosa dia hampiasa izany amin’ny asa mifanandrify aminy ho an’ny fandriampahalemana.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT