Fandriampahalemana

Zandarimariam-pirenena Nomen’ny Assist Aviation fiaramanidina


  • Talata 01 Desambra 2020

Nanolotra fiaramanidina marika Cessna 737 “bi-moteur”, mahazaka olona 6 ho

 

 

an’ny zandarimariam-pirenena ny orinasa Assit Aviation notarihin’ny Tale Jeneraliny Rtoa Mihaja Moyon omaly. Vao 2000 ora ny sidina nataon’io fiaramanidina io, raha ny fanazavana, izay natolotra niaraka tamina maotera 4. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny zandarimaria amin’ny hehatra tsy miankina izy io. Nitarika ny delegasionina nandray izany ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG) Jeneraly Ravalomanana. “Marika hita maso izao amin’ny fanohanana zandarimaria nasionaly amin’ny fanantanterahana ny asa. Tena mila fanohanana izahay satria miantra aman’aina ny asa. Zandary 11 no nodimandry tamin’ity volana ity, ka ny 5 tamin’ireo dia noho ny fifandonana tamin’ny dahalo”, hoy ny SEG. Nambara fa hampiasaina amin’ny fanenjehana dahalo, hanaovana famonjena aina ny zandary rehefa misy zandary mety ho maratra,… Miara-miasa amin’ny tafika ny zandarimaria, ary hisy ny fiaraha-miasa amin’ny mpanamory sivily raha ilaina, hoy ny SEG.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT