Fandriampahalemana

Zandarimariam-pirenena Nodimandry ny jeneraly Randrianazary


  • Alatsinainy 18 Desambra 2017

Nodimandry ny alahady 17 desambra tamin’ny 4 ora sasany maraina noho ny homamiadan’ny avokavoka ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena teo aloha, ny jeneraly Randrianazary.

Izy no namarana ny fiantsorohana io adidy io tao anatin’ny fitondrana tetezamita, raha tsiahivina, ary tena niaiky fa nanahirana ny nitandro ny filaminana tao anatin’iny tetezamita farany iny. Ny sabotsy 22 aprily 2014 kosa izy no namindra ny fahefany tamin’ny jeneraly Paza Didier. Ity fifamindram-pahefana ity ho an’izay nahatsiaro no ofisialy voalohany tao anatin’ny governemanta Kolo Roger. Niompana tamin’ny tontolo maha miaramila avokoa ny fiofanana narahin’ity manamboninahitra ity ary tany ampitan-dranomasina. Anisan’izany ny momba fisainana ara-miaramila tany Afrika Atsimo sy ny paikady ara-miaramila tany Etazonia ny taona 2005. Efa tale jeneraly nisahana ny “Central intelligence service” ny tenany ny taona 2006 – 2008 ary nahazo ny mariboninahitra maha “general de brigade” ny taona 2008 nialoha ny nanendrena ny tenany ho SEG tao anatin’ny fitondrana tetezamita, ka efa nitondrany ny galona “general de division”. Namela kamboty 3 mianadahy ny tenany tamin’izao fahalasanany izao. Andrasana eny amin’ny fonenany eny Ambatomaro kosa ny razana.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT