Zandarimariam-pirenena

Nitanisa ireo heveriny fa fahombiazana ny Minisitra…


  • Talata 26 Martsa 2024

Teny filamatry ny zandarimaria ny hoe "Miaro ho antoky ny Fampandrosoana ifotony",

hoy ny Minisitra delege misahana ny zandarimaria, raha nanao tatitra mikasika ny fanamby ao anatin’ny 100 andro omaly tao amin’ny TVM. Ho fanatanterahana izany, dia nambarany fa nisy ny fanovan-drafitra teo anivon'ny zandarimaria toy ny fametrahana ny fitaleavana amin'ny ady amin'ny kolikoly, ny fametrahana ny fitaleavana mikasika ny fandrindrana ny programa sy ny fikarakarana ny antontan'isa. Izany dia natao mba hahafahana mamaly avy hatrany ny filàn'ny vahoaka. Tao anatin'ny asan'ny 100 andro dia nambarany fa: 78,78% ireo omby halatra no tafaverina tany amin'ny tompony, maherin'ny 65 % ny famerenana ny fandriampahalemana. 6 813 ny fitsidihana ireo toerana lavitra andriana nanaovana fanentanana, sy ny hanamafisana ny andrimasom-pokonolona toy ny filazana amin'izy ireo ny maha zava-dehibe ny fanomezam-baovao ny zandarimaria. 18 000 no fanentanana efa vita toy ny fanentanana ny fametrahana ny bokim-bahiny. Mahakasika ny fanadiovana anatiny, nisy ny fampiharana ny fitsipim-pifehezana, ny famindran-toerana ireo mpitarika fibaikoana tamina toerana maro manerana ny nosy. Nisy koa ny asa famongorana ny fitsaram-bahoaka, ny ady amin'ny zava mahadomelina, ny ady amin'ny fakàna an-keriny indrindra ireo zaza varira. Raha ny trangana fanolanana dia nambarany fa 100 % ny olona nanao fanolanana no tratra, saingy tsy izay ny zava-dehibe, hoy hatrany ity minisitra fa ny tsy mampisy azy. Mitohy ny fanentanana sy ny fampiharana ny lalàna hoy hatrany izy. Noresahany koa ny asan'ny zandarimaria manoloana ny fiatrehana ny fifidianana mialoha, mandritra ary aorian'ny fifidianana. Tatitra amin’ny maha tompon’andraikitra eo an-tampony moa io, ary naneho izany ity Minisitra ity, fa tena nisy ny fahombiazana. Ny trangana tsy fandriampahalemana mahery vaika etsy sy eroa toy ny fanafihana mitam-piadiana, izay misy na ambanivohitra na an-drenivohitra kosa dia toa maneho fifangarihana amin’ny nambaran’ny Minisitra. Sesilany mantsy ny fitifirana etsy sy eroa toy ilay tao Toliara omaly, ny faty olona mampiahiahy sesilany, ny trafika sy fipariahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT