Fandriampahalemana

Zandarimariam-pirenena Manadio ny ao anatiny


  • Alatsinainy 04 Septambra 2017

Nidina tampoka tany amin’ny tsenan’omby Ambatonapoaka Imerintsiatosika ny jeneraly Randriamahavalisoa Gérard,

 

Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena,  ny 31 aogositra 2017 teo nijery ifotony ny tena zava-misy eo amin’ny fomba fiasan’ny zandary, izay mampimenomenona ny vahoaka. Nihaona ihany koa tamin’ireo mponina sy ny solontenam-panjakana tany an-toerana ny tenany sy ireo delegasiona notarihiny niara-nidinika ny vahaolana iraisana mba hamongorana ny tsy fandriampahalemanana. Nandritra izany no nanehoan’ireo mponina sy ny tompon’andraikitra any an-toerana ny fahavononany hanampy ny zandary hiadiana amin’ireo dahalo sy jiolahy.

Tsy nitsitsy fitenenana izy raha niantefa tamin’ireo zandary, nilazany fa tsy hisy mihitsy ny fandeferana amin’ireo izay tsy manaraka ny fitsipika sy manao kolikoly. Nampirisika ireo olom-peheziny izy hanao ezaka araka izay tratra mba hamerenana haingana ny fandriampahalemana sy ny fitokisan’ny vahoaka mba hamongorona ifotony ny asan-dahalo sy ny asan-jiolahy. Nisy moa ny fanomezana ny laharan’ny antso ao amin’ny Zandarimariam-pirenena, raha toa ka mahita fihoaram-pefy ataon’ny zandary sy endrika kolikoly ary momba ny tsy fandriampahalemana dia ny laharana 0341401162 sy ny 0341401388 .

Nangonin’i Jean D.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT