Fandriampahalemana

Zandarimariam-pirenena Jeneraly Rakotondrazaka Andry no komandy ambony vaovao


  • Alakamisy 19 Aogositra 2021

Noraisina nandritra ny filankevitry ny Minisitra omaly 18 aogositra ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2018-294 tamin'ny 04 aprily 2018 ary manendry ny Général de Division Rakotondrazaka

Andriatsarafara Andriamitovy ho Commandant de la Gendarmerie Nationale, izany hoe izy no hisolo ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa. Toy izany ihany koa ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2019-296 tamin’ny 07 martsa 2019 ary manendry ny Géneral de Division Rakotobe Christian ho « Coordonnateur Général des Actions Stratégiques eo anivon 'ny Sekretariam-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena. Noraisina ihany koa Ho an’ny tafika kosa, noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-202l-211 tamin ny 24 febroary 202l ary manendry ny Vice-Amiral Assany Bemarivo Jeannot ho Major Genéral des Armées» eo anivon ny Etamazaoron 'ny Tafika. Noraisina ihany koa ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2021-085 tamin 'ny 27 janoary 2021 ary manendry ny Général de Brigade Andriamasimanana William Michel ho Sous-chef d'Etat- Major en charge des opérations de l'Etat-Major des Armées.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT