Fandriampahalemana

Zandarimariam-pirenena Henjana ny fanadiovana


  • Alakamisy 29 Jona 2017

Zandary miisa 2 teto amin’ny faritra Analamanga no noroahina vokatry ny tsy fanarahan-dalàna tao anatin'ny 6 volana voalohan'ity taona 2017 ity.

Efa misy ihany koa ny famotorana momba ireo zandary miisa 35 eo ho eo voasaringotra tamina kolikoly sy resaka fitakiana vola tany amin’ny faritra Bongolava toa an’i Tsiroanomandidy. Tsy ho ela ny fandefasana ny antontan-taratasy any amin’ny ambaratongam-pitsarana momba ity raharaha ity aorian'ny fahavitan'ny famotorana tanteraka, araka ny fanambaran'ny lehiben'ny fari-piadiadin’ny zandarimaria Antananarivo na CIRGN ny jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa omaly. Manaratsy endrika ny zandary izany, ka efa nafindra toerana ireo zandary voarohirohy  mandritra ny fanadihadiana azy. Nilaza ihany koa ny lehiben’ny CIRGN fa nahitam-bokany ny fampiatoana ny fisavan’ny zandary eny amin’ny lalam-pirenena (PR) ary zava-dehibe ny fihenan’ny fahafam-barakan’ny zandary, hoy ity tompon’andraikitra ity. Ao anatin’ny fandinihana izy ireo amin’ny fanohizana ny PR, saingy mbola misy aloha izao ny fampiharana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT