Fandriampahalemana

Zandarimariam-pirenena Hatsaraina ny fomba fiasa, hoy ny SEG vaovao


  • Talata 24 Aogositra 2021

Ho tohin'ny fanendrena tao amin'ny filan-kevitry ny Minisitra ny Alarobia lasa teo dia notontosaina omaly alatsinainy 23 aogositra ny famindram-pitantanana teo amin'ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa,

Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena teo aloha sy ny Jeneraly Rakotondrazaka Andriatsarafara izay misolo toerana azy. Tamin'ny firahalahiana tanteraka no nanantanterahana izany famindram-pitantanana izany, izay notroni'ireo manam-boninahitra jeneraly sy manam-boninahitra ambony tompon’andraikitra ambony eo anivon'ny zandarimariam-pirenena. Fisaorana ny Filoham-pirenena no voalohan-tenin'ny Jeneraly Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena vaovao, izay nanendry azy sy nametraka ny fitokisany amin'izao andraikitra mankadiry izao.Nanambara ihany koa izy fa mitohy ny asa ary hatsaraina izany. Nisy ny tondrozotra napetraky ny SEG teo aloha izay mbola tsy vita izany ary eo koa ny SEG vaovao hanome toromarika manokana izay hitondrana sy hitantanana ary hanovana arakaraka ny filàna izay tadiavin’ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana eto Madagasikara.Nandritra ny fandraisam-pitenenan'ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria no nanamafisany ny fisaorana ny Kaomandy teo aloha tamin’ny asa rehetra izay vitany ary nitso-drano ny Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena vaovao. Hiezaka izahay hoy izy hanaraha-maso mba hampihena faran’izay azo hatao ka tsy aho avy amin’ny asa tsy vita no hampiditra zandary any am-ponja fa avy amin’ny safidiny irery ihany.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT