Zanaka namono ny Rainy teny Androndra

Nitolo-batana tany amin’ny polisy


  • Alakamisy 27 Febroary 2025

Ray aman-dreny sy zanaka nifamaly niafara tamin’ny fandatsahana ! Novonoin'ilay zanany ny

Rainy 56 taona, ka niala hatramin'ny ainy raha hiverenana ny zava-nitranga teny Androndra talata hariva teo. Voalaza fa nokendainy tamin'ny rojo vy ity farany. Nitsoaka ilay zanany lahy taorian’izay, raha toa ka nisamboaravoara kosa ny fokonolona taorian’ny tranga. Nitolo-batana teny amin'ny polisy omaly alina ihany izy, raha ny vaovao farany. Figodogodonan'ny rainy tao ambony rihana no tsy zakan'ity zanany, izay mipetraka ao ambany, no nahatonga azy nanakenda ny rainy tamin'ny rojo vy, ankoatra ny lonilony nisy teo amin'ny fianakaviana, hoy ny fanamarihana. Efa eo am-pelatanan'ny polisy ny raharaha. Endrika maneho ny fahasimban’ny fiarahamonina sy ny soatoavina Malagasy ny tahaka izao. Zavatra heverina ho bitika sy azo alamina kanefa tonga hatrany amin’ny fandatsahana aina. Mila fanavatona ny fiarahamonina Malagasy izay tena miha simba manaraka ny fiainana ara-politika sy toekarena.

Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT