Zanaka mpivarotra eo Soamanatombo

Tsy hita niaraka amin’ilay nitrotro azy


  • Alatsinainy 04 Desambra 2023

Maha onena ny renin'ity zaza amin’ny sary ity fa dia tsy hita ny zanany kely,

hoy ny seraseran’ny Zandarimaria na CIRGN Antananarivo ny sabotsy teo. Mahery no anaran’ilay zaza, raha ny fampitam-baovaon’izy ireo ary 6 volana monja. Nentin'i Nekena, 10 taona eo ho eo. Mpivarotra eo Soamanatombo ny renin'i Mahery ary ity zaza antsoina hoe Nekena ity dia mpandeha eo amin'izy ireo efa ela ka natokisana hitrotrotrotro an'i Mahery kanjo izao tsy hita niaraka amin'ny zaza izao. Tsy fantatra kosa anefa ny misy an'i Nekena sy izay ray aman-dreniny fa zaza eo an-tsena fotsiny no fahalalana azy. Ianareo izay mitazona an'i Mahery, atero ny zanak'olona fa mampalahelo ny reniny. Izay mahita na mahafantatra vaovao momba azy dia aza misalasala mampandre ny manam-pahefana akaiky indrindra anareo na hiantso ny 0385071727 na 0334823127. Aza latsaina izy fa ampio hitady azy izahay, hoy hatrany ny CIRGN Antananarivo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT