Zanaka am-pielezan’ny

kaominin’Ambaliha Miantso ny Bianco hijery ny fitantanana tao nandritry ny 15 taona


  • Talata 17 Desambra 2024

Tsy misy fandriampahalemana fa manjaka ny tontakely ao amin’ny kaominin’Ambanivohitr’Ambaliha,

distrikan’Analalava, faritra Sofia, hoy ny solontenan’ny zanaka am-pielezana any an-toerana, ny Pasitera Andriamilizafy Eli-Seth. Manjaka ny tontakely amin’ny alalan’ny antsoina hoe Apondra, izay mitovitovy amin’ny Foroche fahiny. Tovolahy tsy misaraka amin’ny antsy lava misy zarany, tsy mba mihety volo, mpifoka rongony ka sady mangalatra no manimba ny fambolena ireo. Ny 15 novambra 2024 lasa teo ny ben’ny tanàna teo aloha, Moustapha, izay nitondra hatramin’ny taona 2009 ka hatramin’ny farany teo, dia voarohirohy tamin’ny fisolokiana volan’olona mitentina 30 tapitrisa Ariary. Ireo namany moa dia voatana any am-ponja fa izy sy ireo vehivavy miisa 2 dia arahin’ny fitsaràna maso ka tsy mahazo mivoakan’ny distrikan’Analalava, Antsohihy ary Bealalana mandritry ny 6 volana. Raha ny fiheveranay azy dia noho ny maha kandidàm-panjakàna azy izao. Nozonon’ity ben’ny tanàna ity izay tsy mifidy azy tamin’ny fanombohan’ny fampielezankevitra tamin’ny alalan’ny fanakaramàna ireo mpanazary avy amin’ny doanin’i Nosilava ary nitetezany fokontany mihitsy niteny hoe «Izay tsy mifidy an’i Moustapha kileza botia, tsy mety manjary amin’ny tany hipetrahany, jofo voa rano mizetry alina, mizetry matsagna, volombodin’akanga ka tsy mba afaka hiakatra…». Nanaitra anay zanaka am-pielezana sy vato nasondrotry ny tany avy ao Antsohihy sy Antananarivo izany. Soa ihany izahay fa nomen’Andriamanitra fahefana hanala ozona ka izany no nataonay tao Ambaliha, renivohitry ny kaominina, sy tao Antranobe, Ambodidimaka, Antananambo ny alarobia sy alakamisy 4 sy 5 desambra 2024 lasa teo. Manantena ny raharaham-pitsaràna ao Antsohihy izahay hampihatra ny lalàna momba an’i Moustapha fa manaitra ny minisiteran’ny fitsinjaràm-pahefana sy ny Bianco hijery ny fitantanana tao amin’ny kaominin’Ambanivohitr’Ambaliha nandritr’izay 15 taona izay, izany hoe nanomboka ny taona 2009 hatramin’ny 2024 izahay, hoy hatrany ny zanaka am-pielezana ao an-toerana nanao antsoavo.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT