Fandriampahalemana

VTobim-piantsonana Vatofotsy Antsirabe Tratra ilay mpisoloky mahay mampiresaka


  • Alatsinainy 22 Novambra 2021

Tsy misy toerana izay tsy tongan’ny mpisoloky intsony izany. Lehilahy iray no saika nisaritahan'ny olona raha tsy tonga haingana ny polisy teny amin’ny tobim-piantsonana Vatofotsy Antsirabe.

 Raha araka ny fantatra dia mody mipetrapetraka eny akaikin'ny olona miandry fiara eny ity lehilahy ity. Mihaino resaka sy mody manaka-dresaka ary mampiresaka izy mandritra izany. Milaza izy fa misy havany tokony antsoiny maika saingy maty ny findainy. Asehony mihitsy ilay telefaonina fozafoza tsy velona mandritra izany. Mhindrana findain'olona hiresahany eo akaiky eo ihany izy. Hampidiriny fahana efa voaomana izany. Miresaka elaela amin'olona tokoa izy ary dia tena mandresy lahatra. Mody milaza lany ny fahana indray izy aorian’izany ka entiny hampidirana 2toi a moi na speed, eo amin'ny mpivarotra tsy lavitra taza-maso eo ilay finday. Any anefa dia manjavona. Nampamangy avokoa izay android tratrany fa ireny finday ireny no tena kendreny. Ny olona dia voafitaka amin'ny fiakanjony sy fiteniny avokoa satria indraindray manao fitafiana mihajna toy ny costard izy. Tamin'ity indray mitoraka ity dia toy ireny olon'Andriamanitra ireny ery lekary fa miambozona firavaka hazofijaliana mihitsy. Efa matetika no misy olona tratran'izany eo amin’ny tobim-piantsonana Vatofotsy Antsirabe. Na mpandeha, na guichetier, na mpivarotra dia saika efa voasolokiny avokoa. Miovaova ny fomba fisolokiany. Raha ny filazan'ny polisy dia efa mpamerin-keloka ity ranamana ity. Ary vao tsy ela akory no nanaterana azy teo amin'ny fitsarana nefa dia izao mamerina izao indray. Ny polisy miasa mandamina ny tobim-piantsonana no tonga aloha ary niantso ny fiara haka azy. Manentana ny olona mba ho mailo amin'ny karazana fisolokiana mety hitranga araka izany ny mpitandro ny filaminana fa ny ratsy tsy kely lalana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT