Navotsotr’ireo mpaka an-keriny ny alin’ny alahady 24 desambra i Nathan Andriantsitohaina rehefa notazomin’izy ireo nandritra ny roa andro teo am-pelatanany.
Namoaka fanambarana manamafy ny fivoahan’i Nathan hatramin’ny Collectif des Français d’Origine Indienne (CFOIM), izay nilaza koa fa “miombom-po amin’ny fianakaviana”. Tsy nisy vaovao nipika kosa ny manodidina ny fifanarahana tamin’ny namotsorana azy, nandoavana ohatrinona ? Loharanom-baovao iray no nandrenesana fa tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny no namotsorana an’ity zazalahy, 14 taona ity. Tafaverina teo anivon’ny fianakaviany niara-nanao krismasy i Nathan, salama vatana na mitambesatra aminy ihany aza ny horohoron-tsaina noho ny zava-nanjo azy. Ny zoma 22 desambra tamin’ny 5 ora hariva ity zanaka mpandraharaha manana ny toerany eo amin’ny lafiny toekarena sy fanaovan-gazety ity no nisy naka an-keriny teny Andanobevava. Dimy lahy mitam-basy no nanatanteraka ny asa ratsy. Toa efa voaomana sy tsara petrapetraka ity fakana an-keriny indray mitoraka ity. Na ireo polisy teo an-toerana aza toa nijoro sy nitazana fotsiny. Ny fiara nampiasain’ireo jiolahy koa faran’izay raitra, hiaka farany, sady lafo vidy, toa midika fa olobe koa no mpaniraka azy ireo. Vao nitranga io fakana an-keriny io dia nirarak’ompana ny tsindry amin’ireo vondrona sy mpanao politika samihafa, eny miaro fandrahonana mihitsy aza, rah any hita teny amin’ny fesiboky. Izay ve no nampalaky ny famotsorana ilay tovolahy ? Ny loharaom-baovao akaiky ny fianakaviana, koa no nahalalana efa efa nisy andiana mpanao vy very ny ainy nivonona hiditra an-tsehatra hanao izay hanavotana an’i Nathan, manoloana ny fahanginana sy fitavozavozan’ny fanjakana. Mbola io loharanom-baovao io koa no milaza fa fantatra, tamin’ny alalan’ireo laharana finday nampiasain’ireo mpaka an-keriny ny fiavian’ireto farany sy ny mpaniraka azy ireo. Hisy ampamoaka momba azy ireo ve ato ho ato ? Ny ampitso no hilaza azy ; fa raha ny Karana hatrany no nisy naka an-keriny taloha, dia lasibatra avokoa ny rehetra amin’izao, na vahiny na teratany Malagasy, tsy an-drenivohitra tsy ambanivolo. Nahagaga sy ny mampametra-panontaniana anefa dia 3625 be izao ny mpitandro ny filaminana nahetsika tamin’ity krismasy sy faran’ny taona ity, nefa mbola misy kidnapping ny zoma ary fanafihanamitam-basy nahafatesana olona ihany toy teny ny Itaosy ny harivan’ny sabotsy teo. Ilay Karana mpiasan’ny orinsa Ucodis, John Azaly na John Raza nisy naka ankeriny teny amin’ny Cité Firaisana Ankorondrano ny herinandro lasa teo, moa hatramin’izao tsy ahenoam-baovao, nefa tsy mbola tafaverina eo anivon’ny fianakaviany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.