VONO OLONA, TONDRA-DRANO, VIDIM-PIAINANA,

… Antson’Andriamanitra ho an’ny Malagasy, hoy Pastera Heritiana


  • Zoma 28 Febroary 2025

Antson’Andriamanitra ho an’ny Malagasy ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny ho an’ny

Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Anisan’izany ny haintany ao anatin’ny fotoam-pahavaratra tahaka izao. Eo koa ny tondra-drano nahafatesana olona maro na teto an-drenivohitra na tany amin’ny faritra ankoatra ny vono olona ankitsirano toy ny nahazo ny olom-boafidy iray izay tanora vao herotrerony tokoa. Farany izay tsy kely hoy ity Pastera ity dia ny fidangan’ny vidim-piainana andro aman’alina izay tena mampitaraina ny maro. Ao amin’Andriamanitra ihany no misy ny vahaolana faratampony hoy hatrany izy ka mety sy tsara raha samy mitodika amin’Andriamanitra ny rehetra. Fotoanan’ny fahagagana hataon’Andriamanitra rahateo izao raha ny nambarany. Nandefa hafatra ho an’ny mpitondra fanjakana ihany koa ny tenany ny amin’ny tokony hanaovana fotoam-pivavahana hangatahana famelana ho an’ny firenena mba hilaminan’ny fiainan’ny Malagasy tsy vaky volo.
Pati
Legende : Izy no Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana ny oloko !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT