Fandriampahalemana

Vono olona teny Sabotsy Namehana Nokendaina ilay ramatoa, karohina ny vadiny


  • Alarobia 08 Novambra 2017

Vehivavy iray manodidina ny 28 taona no maty tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny fokontany Soaniadanana, Soatsilefy, kaominina Sabotsy Namehana omaly talata 7 novambra.

 

 Tsy fantatra mazava tsara ny olana nahafaty na namonoana azy fa ny vatana mangatsiakany efa manomboka simba no hita tao an-tranony. Raha ny tombana vonjimaika mikasika ny razana kosa dia fanakendana no mety nahafaty azy ary ny vadiny no ahiahiana ho nahavanon-doza. Omaly ihany dia efa tonga nijery ifotony ny raharaha ny lehiben'ny zandarimaria, ny Ben'ny tanàna, ny lehiben'ny tobim-pahasalamana CSB II ao amin'ny kaominina Sabotsy Namehana.

Tsy tonga niasa izy, nandositra ny vady aman-janany

Nisy ny fakam-baovao tamin’ny zandarimariam-pirenena manoloana ity zava-doza mampivarahontsana ity. Ny zoma 3 novambra lasa teo no efa tsy tonga niasa tany amin’ny toeram-piasany io vehivavy io, ary tsy hitan’ny mpiara-miasa taminy ihany koa ny sabotsy, raha ny vaovao azo. Nigadona ny alatsinainy, fa tsy tonga izy. Nanapa-kevitra nanatona tany amin’ny toeram-ponenany ireo mpiara-miasa, saingy tsy nahita na inona inona fa namantana trano mihidy. Nandeha amin’izay ny ahiahy avy eo, ka niresaka tamin’ny tompon-trano. Teo no nahafantarana fa nametraka ny fanalahidin’ny trano tao amin’ny tompon-trano ny vadin’io ramatoa io. Tsy nahalala izay zava-niseho tao an-trano kosa ny tompon-trano fa dia nandray ilay fanalahidy no nataony. Nanomboka nitombo ny ahiahy, ka rehefa niresaka teo dia nanapa-kevitra ny rehetra fa hovohaina trano. Zava-doza no novantanina tao satria fatim-behivavy efa manomboka simba no mivalampatra eo am-pandriana. Rehefa natao ny fandinihana vonjimaika dia fanakendana no tombanana ho nahafaty azy, raha ny fanazavan’ny manampahefana. Tsy hita popoka ny vadin’ity ramatoa ity sy ny zanany iray taorian’ny nametrahany ilay fanalahidy, ka izy aloha hatreto no karohina fatratra mba hanaovana fanadihadiana voalohany. Hatramin’ny nanoratanay omaly sy ny resaka nifanaovana tamin’ny mpitandro ny filaminana, tsy mbola hita io raim-pianakaviana io sy ny zanany. Mandeha ny fikarohana ny marina sy ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT