Fandriampahalemana

Vono olona teny Sabotsy Namehana Nibaboka an-telefaonina ilay rangahy


  • Alakamisy 09 Novambra 2017

Taorian’ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro ny filaminana sy ny Ben’ny tanànan’i Sabotsy Namehana Avotra Andriamosa mikasika ilay vono olona nitranga tao amin’ny fokontany Soatsilefy ny fiandohan’ny

 

herinandro teo ka nahafatesana renim-pianakaviana iray vao 28 taona monja dia fantatra omaly fa ny vadiny ihany no namono azy. Tamin’ny alalan’ny SMS an-telefaonina nalefany tamin’ny naman’i tompokovavy no nilazany fa novonoiny tao an-tranony ny vadiny, araka ny fanazavana voaray.

Efa vita ny “autopsie” ary voaporofo fa tena maty nokendaina ilay renim-pianakaviana. Efa niroso tamin’ny fisavana ny tokantranon’izy ireo ny mpitandro ny filaminana taorian’izay hahitana ny mombamomba ilay rangahy saingy tsy nahita na inona na inona. Somary olana kely ho azy ireo ny fitadiavana ilay nahavanon-doza raha ny fanazavan’ny komanda eo anivon’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Sabotsy Namehana. Niaraka  tamin-janany vavikely dimy na enin-taona rahateo  ity raim-pianakaviana ity no izao lasa nitsoaka tsy hita popoka izao.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT