Fandriampahalemana

Vono olona teny Imerinkasinina “Tazonina ireo polisy sy sinoa, tsy fieren-jiolahy ato”


  • Zoma 18 Novambra 2022

Namoaka fanambarana omaly ny seraseran’ny Polisim-pirenena mikasika ilay raharaha vono olona ka nahafatesana olona roa, izay “inspecteur des impôts” sy mpiraki-draharahan’ny Fitsarana ny 15 novambra 2022 teny

Imerinkasinina. Tsara ny manamarika sy mampahatsiahy fa notifirina tao anaty fiara izy ireo, saingy mbola afaka nitsoaka, saingy nidona ny fiara, ka iry voalohany maty raha mbola tao anaty fiara, ary ilay mpiraki-draharaha namoy ny ainy teny amin’ny Hopitaly HJRA. Basy PATT 9mm, basy ampiasain'ny polisim-pirenena no voalaza fa nitifirana ireto olona ireto, izay latsaka moa, ka teo no nahafantarana fa polisy miasa any Ambatofinandrahana no tompony, ary polisy mpiana-draharaha mpiambina izay tao anatin’ny fotoana tsy niasana na “congé” no voarohirohy ho nanao ny fitifirana. Namoaka fanambarana ny Sendikan’ny inspecteurs des impôts omaly, fa noho ny asany no namonoana ilay naman’izy ireo. Nohamarinin’ny Polisim-pirenena fa misy tokoa Polisy voarohirohy amin’io raharaha io, ary efa notanana eny amin’ny sampan-draharahan’ny Zandarimariam-pirenena izay miandraikitra ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity. Misy ihany koa teratany vahiny, sinoa, izay voarohirohy amin’ity raharaha ity, ka efa voasambotry ny Polisy eo anivon’ny PAF teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ary efa natolotra ny sampandraharahan’ny Zandarimariam-pirenena izay miandraikitra ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity. Voalaza fa nikasa hitsoaka io sinoa io saingy tra-tehaka. Tsy miaro ireo mpanao ratsy, na iza izy na iza, ary manampy ireo rahalahinay ao amin’ny Zandarimariam-pirenena amin’ny fikarohana ny marina amin’ity raharaha vono olona ity, hoy polisim-pirenena. Nanamafy fa tsy fieren’ny jiolahy ao amin’ny Polisim-pirenena ary tsy andefitra mihitsy amin’ireo Polisy mihoa-pefy. Nomarihina fa ny Zandarimariam-pirenena no manao ny fanadihadiana mikasika ny raharaham-pitsarana mifandraika amin’ity vono-olona ity ary manome tanana amin’ny lafiny rehetra mety ilana izany ny Polisim-pirenena. Efa mandeha ny « procédure administrative » mikasika ireo Polisy ireo, ary koa ny fanadihadiana anatiny mifandraika amin’ity raharaha ity. Eto am-pamaranana, ny Polisim-pirenena dia manentana ny vahoaka Malagasy ho tony, ary hahatoky hatrany ny rafim-pitsarana misy eto amintsika, hoy ny fanambarana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT