Fandriampahalemana

Vono olona teny Behoririka 4 nidoboka any Tsiafahy, 1 etsy Antanimora


  • Zoma 20 Janoary 2023

Dimy mianadahy no voasaringotra tamin’ilay raharaha fanafihana mitam-pidiana andro atoandro nisiana fandrobana vola, narahana vono olona tetsy Behoririka ny 29 desambra 2022.

Natolotra ny fampanoavana omaly 19 janoary 2022 izy ireo, ka ny 4 lahy nidoboka vonjimaika eny amin'ny fonjan'i Tsiafahy, raha toa ka etsy Antanimora kosa ny vehivavy iray. Araka ny tatitry ny zandarimariam-pirenena, taorian'iny tranga iny dia niditra lalina tamin’ny fanadihadiana ny zandary avy ao amin'ny Compagnie Antananarivo renivohitra, ary nanao ny fikarohana ireo olon-dratsy. Voarohirohy tamin'ity raharaha ity avokoa izy 5 mianadahy ireto, izay niray tsikombakomba sy niray tendro ka nahatontosa ity asa ratsy ity. Tsara ny manamarika fa ny roalahy tamin'ireto mpanao ratsy ireto dia efa nigadra teny Tsiafahy, ary izao niverina eny izao indray. Raha tsiahivina moa ny zava-niseho, dia lehilahy iray avy naka vola tao amin’ny banky iray tetsy Analakely no notifirin'ny jiolahy tetsy Behoririka tamin'io andron'ny 29 desambra 2022 io. Maty tsy tra-drano ity lehilahy izy izay voalaza fa handeha hanao “versement” tao Behoririka, ary voaroba kosa ny vola be 136 tapitrisa Ariary. Amin'izao fotoana izao dia mbola ireo olona 5 no voasambotra sy efa natolotra ny fampanoavana ka nidoboka am-ponja vonjimaika, fa mbola mitohy ny fikarohan'ny zandary ireo jiolahy hafa, izay isan'ny nandray anjara tamin'ity asa ratsy ity, hoy ny fanamarihana. Nanentana hatrany ireo izay manana loharanom-baovao mahakasika ity raharaha ity tsy hisalasala hiantso ny laharana 0341400651 ny zandary, ary nanome toky fa hotazonina tsiambaratelo tanteraka ny mikasika izany fanomezam-baovao izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT