VONO OLONA TAO MATSIATRA AMBONY

Olona 15 isa no voasambotra, vehivavy ny 04


  • Zoma 15 Martsa 2024

Olona miisa 15 ka vehivavy ny 04 no voasambotry ny Polisy miasa ao

amin ' ny Fitaleavam - paritry ny Filaminam - bahoaka DRSP Haute Matsiatra tao amin ' ny fari - piadidiany ny fiandohan’ny herinandro teo noho ny resaka vono olona sy halatra miharo vaky trano. Nidina ifotony ny Talem - paritry ny Filaminam - bahoaka DRSP Haute Matsiatra, nitafa tamin ' ireo Polisy miasa any an - toerana, nanatanteraka fanentanana mahakasika ny ady amin ' ny kolikoly na ny PILCC(Politique Interne de la Lutte Contre la Corruption).Nandritra izany no nanomezany baiko noho ireo trangana tsy fandriampahalemana isan-karazany izay mety hiseho any amin ' iny faritra iny. Notanterahana ary nohamafisina avy hatrany moa ny baiko izay nomena tamin ' ny alalan ' ny fikatsahana ireo angom -baovao momba ireo tranga ratsy mpitranga, fanamafisana sy fanatevenana ny fisafoana na andro na alina, fanetsehana ny fiaraha - miasa amïn ' ny andrimasom-pokonolona fa indrindra ny fampandraisana anjara amin ' ny famoriana ireo lehiben ' ny Fokontany amin ' ny alalan ' ny SOA MIRAY DIA . Tra-tehaka nandritra izany ny lehilahy miisa 08 izay tompon’antoka tamin ' ny halatra miharo vaky trano miseho any an - toerana. Mboĺa tratra teny aminy avokoa moa ireo karazan ' entana maro nangalarina toy ny bisikileta, panneau solaire ary kojakoja hafa isan - karazany. Lehilahy 03 amin’ireo no voasaringotra amin ' ny resaka vono oĺona roa samy hafa raha mpividy ireo entana halatra ny roa ambiny. Efa mpamerin -keloka avokoa ny ankabeazan izy ireo. Pati
Legende : Ireto izy valo mianadahy anisan’ireo mpanao ratsy ao Matsiatra Ambony !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT