Vono olona tao Antsirabe

Mpivady namoahana filazana fikarohana


  • Alakamisy 23 Novambra 2023

Taorian’ilay tranga nampalahelo izay nahitana ny nofo mangatsiakan’Itompokovavy Noeline,

mpiasan’ny kaominina ambonivohitr’Antsirabe dia fantatra izao fa mpivady hafa no indray namoahan’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana filazana fikarohana. Andriamasiharivelo Narindra Arthur no anaran’ilay lehilahy izao vao 37 taona monja. Dinaharivelo Rakotovao kosa no anaran’ilay Ramatoa izay vao 35 taona ihany koa. Ao amin’ny laharan-trano 11 D 160 Mahazina fokontany Mahazina ihany izy ireo no mipetraka, Kaominina Ambonivohitra Antsirabe. Anisan’ny hanenjehana azy ireo moa ny fitanana an-keriny narahina vono olona. Izy ireo hoy ny vaovao no ahiahiana ho tompon'antoka voalohany tamin'ny fitazomana an-keriny narahina famonoana an'Itompokovavy Noeline, ilay mpiasan’ny kaominina ao an-drenivohitr’Antsirabe. Efa mandeha araka izany ny fikarohana azy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy mivady tadiavina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT