Fandriampahalemana

Vono olona tao Anjeva gara Olom-pantatra ihany no ahiana ho nahavanon-doza


  • Alatsinainy 24 Aprily 2023

Renim-pianakaviana iray vao erotrerony no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny alatsinainy alina teo nifoha talata teo tao amin’ny kaominina ambanivohitra Anjeva gara, any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny.

Raha araka ny fantatra dia mbola nanafatra sakafo tao amin’ny Ray aman-dReniny Ratompokovavy ny harivariva. Taorian’izay dia nody tany an-tokantranony izy ary tsy nandrenesam-peo intsony. Gaga ireo mpiara-monina aminy ny Talata maraina fa tsy nahita an-dRatompokovavy nivezivezy toy ny fanaony mahazatra intsony. Nampandrenesina ny tompon’andraikitra nandritra izany ka novahana ny trano. Indrisy anefa fa vatana mangatsiaka efa nihosin-dra sisa no hita tao. Lasan’ireo olona namono azy ihany koa ny vola ana hetsiny nampiriminy tao ambony plafond sy ny firavaka volamena nananany hoy ireo fianakaviany. Fantatra moa fa mbola nahitana tavoahangina labiera….tao an-tokantranony nandritra izany. Tombanan’ny rehetra ho namany akaiky ihany araka izany no nahavanona ny loza. Mety mbola niara-nisotrosotro mantsy izy ireo talohan’ny namonoany an-dRatompokovavy. Miantso ny hivoahan’ny marina mikasika ity raharaha ity araka izany ny fianakavian-dRatompokovavy. Olona maromaro mpiara-monina aminy moa no efa nohenoin’ny mpitandro ny filaminana koa andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha.
Pati
Legende : Tsy namelan’ireo tsy mataho-tody raha tsy namoy ny ainy ity Renim-pianakaviana ity
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT