Fandriampahalemana

Vono olona tao Andapa Olon-droa mpisakaiza no nahavanon-doza


  • Alatsinainy 08 Mey 2023

Nitrangana vono olona nahatsiravina tao amin’ny fokontany Ambahakarabo kaominina ambanivohitra Belaoko Lokoho, distrikan’Andapa afak’omaly sabotsy 06 mey.

Lehilahy iray 44 taona no nisy namono tao an-tokantranony ka novelesin’ireo tsy mataho-tody tamin’ny hazo ny lohany. Tsy niverina intsony ny ainy vokatr’izany. Nirotsaka nanao fikarohana avy hatrany ireo polisy ka fantatra fa olon-droa mpisakaiza ihany no nahavanon-doza raha ilay lehilahy no tena tompon’antoka. Polisy nanao barazy hiditra an'Andapa no nisambotra azy ireo raha efa saika hitsoaka izy roa. Raha araka ny fantatra moa dia olona mahafantatra an-dRatompokolahy ihany ireto namono azy ireto noho ny resaka fialonana sy fitiavam-bola.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy roa mpisakaiza sy ilay olona novonoiny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT