Fandriampahalemana

Vono olona tao Ampasipotsy gara Olona telo no efa naiditra am-ponja vonjimaika


  • Alarobia 19 Jolay 2023

Nahitana fatin’olona tsy fantatra novonina tamin’ny fomba feno habibiana tany Andasibe ny volana jona teo.

Ny andron'ny talata 13 jona lasa teo tokony tamin'ny 09 ora maraina raha tsiahivina dia nahazo tatitra avy amin'ny Sefom-pokontanin’ Amparafara ny zandary miasa ao amin'ny Zana-Tobim-Paritry ny Zandarimaria Andasibe fa misy olona tsy fantatra maty any Betanimainty Fokontany Amparafara , kaominina ambanivohitr’Ampasipotsy Gara Disitrikan'i Moramanga.Vantany vao nahazo ny fampilazana ny zandary dia niainga nanao ny fizahana niaraka tamin'ny mpitsabo ao amin'ny CSB II Ampasipotsy Gara ka voamarina fa nisy namono ity lehilahy ity ary nalevin'ny Fokonolona ny razana taorian'ny fizahana nataon'ny mpitsabo. Tsy nipetra-potsiny ny havan'ilay maty fa niezaka nitady ny marina ka ny andron'ny zoma 30 jona dia tonga ny olona izay nitonona fa rahalahin'io olona maty io ary nilaza fa haka ny razana sy nitondra taratasy fitoriana ny olona izay henony fa namono io rahalahiny io. Nampanantsoin’ny zandary ireo olona nolazain'ny fianakaviana fa namono ity lehilahy ity saingy rehefa nahare fitoriana azy ireo dia niala teo an-tanana mihitsy ary tsy hita popoka intsony.Niandrasana hatrany ny fahatongavan'ireo olona notoriana ireo saingy tsy nipoitra ka nanao latsak'alina ny zandary izay notarihan'ny kaomadin'ny Zana-Tobim-Paritry ny Zandarimaria ao Andasibe ny andron'ny Sabotsy 15 jolay teo. Voasambotry ny zandary ireo olona telo izay notoriana ireo. Efa naiditra am-ponja vonjimaika moa izy ireo taorian’ny fanadihadiana natao azy.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT