Fandriampahalemana

Vono olona tany Nosy be Voasambotra ireo mpivady nahavanon-doza


  • Alarobia 06 Mey 2020

Saron’ny polisy nasionaly ao Ambilobe tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo ireo mpivady izay namono nahafaty ilay vehivavy iray tany Nosy be ary naleviny tao an-tokontaniny ihany. Rtoa Mohama Chanfiy 32 taona ,

 

 

 

 teraka tao Nosy Be izay naman’ilay maty akaiky ihany niaraka tamin’ Atoa Mahafahana Aldine 26 taona, teraka tao Beramanja Ambilobe vadiny no nahavita izany. Raha tsiahivina dia tamin’ny Alahady teo no hita ny razana. Mbola tratra niaraka tamin’izy mivady ireto ny entan’ilay maty ary efa tonga tany Ambilobe izy ireo. Eo am-piketrehana ireo mety ho mpiray tsikombakomba sy ny antony tena namonoana ity tovovavy ity ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana amin’izao fotoana izao. Rah any feo mandeha moa dia toa vadina tera-tany vahiny ity tovovavy maty ity ary nanana fari-piainana mety.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT