Fandriampahalemana

Vono olona tany Ifanadiana 18 no voasambotra hatreto


  • Talata 09 Aogositra 2022

Tafakatra 18 isa no voasambotra, ady tany no niteraka valifaty ary mponina ao an-toerana ihany no nahavanona ny vono olona feno habibiana tao Ifanadiana,

raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Namoizana ain'olona miisa 4 tao Antsaha, fokontany Andodona, kaominina Kelilalina, distrikan' Ifanadiana ny alin’ny alakamisy nifoha zoma 5 aogositra teo izany. Disadisam-piaraha-monina vokatry ny ady tany no niteraka valifaty ka nahatonga ity famoizana ain’olona ity. Ankizy ny 3 tamin’ireo olona 4 maty. 6 taona ny zandriny indrindra ary 9 taona ny zokiny indrindra. Nokapaina tamin'ny famaky avokoa izy ireo. Vehivavy iray no naratra mafy ary mbola manaraka fitsaboana eny amin'ny tobim-pahasalamana. Trano miisa 3 no may. Tsy maintsy averina amin’ny laoniny ny fandriam-pahalemana amin’iny faritra iny ary tsy maintsy anaovana ezaka manokana ny fikarohana ny olo-meloka rehetra izay manakorontana ny fiainam-piarahamonina, hoy ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria Vatovavy, ny lietna kolonely Rakotojaona Jacquot.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT