Fandriampahalemana

Vono olona tany Belo Tsiribihiana Lehilahy iray no voasambotra


  • Alakamisy 30 Aprily 2020

Lehilahy iray no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSPD Belo/Tsiribihina noho ny fandraisany anjara tamina vono olona izay nitranga ny alakamisy faha 23 aprily lasa teo ka nahafatesana lehilahy iray.

 

  

 

 

Tokony ho tamin’ny 01 ora maraina no nitrangan’ny famonoana io lehilahy io, izay marihina fa Chef ZAP ao Belo sur mer, tao amin’ny fokontanin’ny Soatsioky. Manoloana izany tranga izany dia nikaroka ilay nahavanon-doza avy hatrany ny polisy sy ny fokonolona ka lehilahy iray, 30 taona no voasambotra tsy lavitra teo. Mbola nahitana famaky iray teny aminy tamin’ny fotoana nahasamborana azy io. Nogiazana avy hatrany io fitaovana io ary nentina nanaovana fanadihadiana kosa ralehilahy. Nandritra izany dia nilaza izy fa tsy namono ilay lehilahy io fa ny namany izay niaraka taminy tamin’io fotoana io no nahavanona izao vono olona izao, saingy nanampy azy kosa izy tamin’ny fanaovana izany. Mbola karohina ankehitriny io namany io. Natolotra ny fampanoavana ny talata lasa teo ny lehilahy ary nidoboka vonjimaika any am-ponja.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT