Fandriampahalemana

Vono olona sy halatr’omby tao Ihosy Jiolahy iray lavon’ny balan’ny polisy, roa azo sambo-belona


  • Talata 04 Jolay 2023

Jiolahy iray no lavon'ny balan'ny polisy, roa kosa no azo sambo-belona tamin'ny fangalaran'omby sy famonoan'olona nitranga tao Ihosy.

Ny faran'ny volana jona raha tsiahivina no nanafika tanana iray tao Ihosy tao amin'ny fokontany Ambaniandrefana ireo jiolahy. Olona iray no maty tamin'izany ary omby miisa 03 no saika lasan'izy ireo saingy tonga ara-potoana ny Polisy. Nitsoaka nandositra ireo olon-dratsy nandritra izany ka tsy tanteraka ny asa ratsiny. Fotoana vitsy taty aoriana, naharay antso tamin'ny olona tsara sitrapo ny Polisy tao Ihosy fa misy andian-jiolahy miisa 05 mirongo basy tao amin'ny fokontany laborano ho any Ihosy hiverina ao amin'ilay fokontany Ambaniandrefana izay voatafika tsy ela ka haka ilay omby 03 tsy azony. Nandefa polisy avy ao Ihosy sy Ihorombe hanakana ireto jiolahy. 10km tsy idirana an'Ihosy, rehefa nahatazana ny Polisy ireto jiolahy tonga dia nitifitra avy hatrany. Namaly izany koa ny Polisy. Vokany, jiolahy iray no lavo, roa kosa azo velona niaraka tamin'ny basy ary ny roa ambiny lasa nirifatra nitsoaka. Mbola eo am-pikaroana azy ireo ny Polisy. Noentina teny amin'ny biraon'ny polisy ireo jiolahy velona nanaovana fanadihadiana.
Pati
Legende : Ireto ry zalahy tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT