Fandriampahalemana

Vono olona sy halatra taova Sao dia tokony haverina ny fanamelohana ho faty ?


  • Alarobia 30 Martsa 2022

Mirongatra izay tsy izy ny vono olona mahatsiravina mifono halatra taova any amin’ny tapany atsimo. Mila ho isan-kerinandro no ahitana izany.

 Zaza iray indray no nisy namono tamin’ny fomba feno hapipiana tany Taolagnaro iny, raha ny vaovao niparitaka tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Nofiraina tamin’ny famaky na antsy maranitra ny hatony, ary nangalarina ny voamasony avy eo. Tena zava-doza, ary mampivarahontsana ny sary maneho izany. Zaza tsy manan-tsiny no lasibatra. « Izao ny vokatry ny tsy fandriampahalemana aty aminay. Ny vaky trano tsy hita intsony izay hilazana azy, ny fasan-drazanay vaky isan'andro,... Mety tena efa misy « salle d'opération mobile » izany eto amintsika anaovana trafikana taova na « trafic d'organe »? Miangavy ny tompon'andraikitra mahefa mba handray andraikitra fa tena mijaly ny vahoaky. Sady fa mosary, misotro rano maloto no sady mbola tratran'izao ihany koa”, hoy ny depiote Zafindrano Perle Bien-Aimé. Teo aloha raha ireo zaza varira no tena lasibatra matetika, ankehitriny efa tsy mifidy intsony ireo tsy mataho-tody. Vao ny herinandro nivalona teo tany amin’ny Fokontany Beraketa Akiliabo Kaominin'Ilakaka, Faritra Ihorombe, fatin-dehilahy iray tokony ho 35 taona efa tsy nisy masony sy ati-dohany intsony no hitan’ny fokonolona. Raha araka ny feo mandeha dia karazan’irony olona toy ny nanaovana sorona irony ity lehilahy ity. Nokapaina famaky mihitsy ny lohany nakana ny betrony. Hatreto, mbola tsy mazava ny tena hampiasana ireo taova hangalarina izay hifofoana ain’olona. Ny maso matetika no lasa, ka maro no manombana fa hanao odigasy izy io. Efa nisy hatrizay, saingy vao mainka nirongatra be ity resaka halatra taova sy maso ity tato anatin’ny herintaona teo, ary tsy tena voafehy. Isan’ny tena lasibatra ny ankizy tsy manan-tsiny. Tena tsy misy vahaolana ve? Manomboka mandeha ny fanehoan-kevitra ankehitriny fa sao dia tokony hiverenana ny lalàna fanamelohana ho faty manoloana ny toe-javatra tahaka izao? Mety ho adihevitra be io, ary mety ho olana amin’ny iraisam-pirenena, saingy raha izay no hahafoana an’ity heloka bevava ity dia inona moa no olana? Mila fitandremana mafy sy miainga amin’ny fahatrarana ambodiomby, porofo tsy azo lavina,… sao sanatria ny tondro molotra indray no hamotika ny hafa.
Toky R
Légende: Ilay zaza maty tamin’ny fomba feno habibiana, efa tsy nisy maso intsony tany Taolagnaro
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT