Fandriampahalemana

Vono olona sy halatra taova etsy sy eroa Fanakorontanana saim-bahoaka ?


  • Alatsinainy 12 Martsa 2018

Nalaza tato ho ato tany amin’iny tapany atsimon’ny nosy iny ny raharaha vono olona miharo halatra taova. Olona 6 no voalaza fa nisy namono tao Toliara ary tsy hita ny masony ny faran’ny herinandro teo.

 

Zaza miisa 3 koa talohan’io no hoe maty voavono ary tsy hita ny ratsan-tanany sasany, ny sasany ny masony ihany koa. Manoloana ny zava-nisy, raikitra ny savorovoro nisamboran’ny Emmoreg olona 65 isa tao Toliara. Hatramin’izao anefa tsy fantatra sy tsy hita mazava ireo razana. Aiza izay mba nangirana tamin’ny fanadihadiana natao ? Maninona no saika faritra mafana hatrany no itrangan’ny savorovoro toy izao rehefa akaiky fifidianana ? Sao lahy ka tetika hambolena korontana ka avy eo mitondra mankany amin’ny fampihemorana fifidianana indray izy ity ? Mahagaga ihany koa fa mifanojo amin’ny fivoriana tsy ara-potoanan’ireo parlemanta izay mandinika ny lalàna mifehy sy ny tontolom-pifidianana amin’ny ankapobeny mihitsy no hitrangan’izao toe-draharaha manakorontana saim-bahoaka izao.


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT