Fandriampahalemana

Vono olona sy fanafihana teny Ankadindramamy Nahazo fahafahana vonjimaika ireo mpanafika


  • Alatsinainy 06 Martsa 2023

Ny vadin’ilay rangahy sy ny rafiny ihany no nanirak’olona namono azy Hahavitana zava-doza tsy hita pesipesenina ny fankahalana olona iray.

Raha araka ny fantatra dia ny vadin’ilay rangahy mpanao cash point maty voatsindron’antsy teny Ankadindramamy sy ny rafiny ihany no nampaniraka olona namono sy nanafika azy. Tamin'ny 29 aogositra lasa teo raha tsiahivina no nitranga ity fanafihana ity. Maty vokatry ny tsindron’antsy nahazo azy noho izany ilay Rangahy. Raha araka ny fantatra dia niakatra fitsarana tamin'ny 3 janoary teo ny raharaha ka nidoboka am-ponja vonjimaika ny vadin’io rangahy namoy ny ainy io sy ilay rafiny. Fito andro taorian’izay anefa hoy ny fianakavian’ny maty izany hoe : ny 10 janoary teo dia nahazo fahafahana vonjy maika izy roa ka velon-taraina mafy izy ireo. Miantso ny Minisitry ny fitsarana vaovao mba hijery akaiky ity raharaha ity izy ireo.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT