Fandriampahalemana

Vono olona miaro halatra Olona 4 no voasambotra tany Andilamena


  • Zoma 10 Jona 2022

Lehilahy miisa 03 sy vehivavy iray no nosamborin’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP Andilamena ny 04 jona teo rehefa namono olona sy nangalatra.

Raha tsiahivina dia vehivavy iray efa mananon-tena no hita faty tao an-tranony ny Alatsinainy 09 May lasa teo. Tany an-toerana. Ankoatr’izay dia entana maromaro tao an-tranon’ity vehivavy ity ihany koa no very ka anisan’izany ny findainy. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Polisy, ka fantatra tamin’izany fa nisy namono ity vehivavy ity. Nanao fikarohana ny Polisy ka fantatra fa vehivavy iray, 26 taona, monina ao Andilamena ihany no mampiasa ilay finday very. Voasambotra tao amina toeram-pandihizana iray tao Antanambaovao Andilamena izy tamin’io daty voalaza etsy ambony io. Nosamborina koa ny sakaizany, lehilahy iray izay 26 taona. Tamin’ny fisavàna ny tranon’ilay vehivavy dia saika hita tao avokoa ireo entan’ilay vehivavy nisy namono. Rehefa nanontaniana mahakasika ireo entana ireo izy dia nanondro lehilahy miisa 02 izay nivarotra ireo taminy. Ny iray dia lehilahy iray, 39 taona, monina ao Ambohidradala, Andilamena. Ity farany izay tsy iza fa sakaizan’ilay vehivavy nisy namono ihany. Ny iray hafa kosa dia lehilahy 28 taona, monina ao andilamena ary efa nanana fifandraisana manokana tamin’ilay maty ihany koa. Tamin’ny fanadihadiana ireto 02 lahy voasambotra ireto dia nifampiampanga izy ireo ary samy nilaza ho tsy namono ilay vehivavy. Natolotra ny fampanoavana tao Ambatondrazaka ny alarobia teo ireo olona miisa 04 voarohirohy tamin’ity trangana vono olona ity ka naiditra am-ponja vonjimaika avokoa izy ireo.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT