Nitrangana vono olona nahatsiravina indray tao amin’ny fokontany Ambatovaventy-Distrikan’Antanifotsy ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy 21 septambra lasa teo.
Tokantranona mpivarotra ity nisy nanafika ity ka ripaka tamin’izany izy mianakavy, dia ny zanany 4 sy izy mivady. Raha ny angom-baovao avy tany an-toerana, karazana lonilony teo amin’ny fiarahamonina no nitranga fa tsy halatra akory satria tsy naka vola ireo jiolahy fa ny famonoana ireo olona 6 mianaka ihany no tanjony.
Olom-pantatra
Raha ny fanazavana nomen’ireo mpiambina ilay trano dia tokony ho tamin’ny misasakalina no nanomboka ny fanafihana. Tsy namaky ny varavarana ireo jiolahy fa efa nivatsy tohatra niakarana ny lavarangana satria ireo mpiambina dia eny an-davarangana no mitily. Tsy nataony inona ihany koa ireo mpiambina fa nofatorany ny roalahy ary ilay iraikalahy kosa tsy hita izay nitsoahany hatramin’izao. Ireo jiolahy tafiditra tao amin'ireo tompon-trano kosa dia ren'ireto mpiambina nafatotra tsara nilaza sy niresaka tamin’ilay raim-pianakaviana tao an-trano. "Ireto ny vola misy ato aminay", hoy ny tompon-trano. « Tsy miraharaha izay volan’ialahy izahay ! », hoy ireo jiolahy sady nanonona ny anaran’ilay tompon-trano izy ireo. Taorian'izay, nisy iray tamin'ireo jiolahy nilaza fa tapitra ny ora zalahy fa handoro ny trano amin’izay izy ireo. Nakatony tao an-trano avokoa izy mivady sy ny zanany 4 mianadahy ary nivoaka nandoro ny trano tokoa ireo mpanafika.
Nanapoaka etona mamono
Tsy nirehitra anefa ny efitra nisy azy ireo ary rehefa hitan'ireo jiolahy izany, dia niverina izy ireo ka nisy zavatra napoakan'izy ireo tao an- trano, izay azo heverina fa « Gaz » ary io no namono azy 6 mianaka. Raha ny fantatra, tsy nisy nahabangana ny entana tamin’ny ankapobeny ka azo heverina fa lonilonim-piarahamonina ity tranga ity. Mbola karohina kosa ilay lehilahy iray mpiambina izay tafaporitsaka. Nidina tany an-toerana ny depiote Ndrina voafidy tany Antanifotsy sy ny lehiben’ny distrika, Atoa Andriamboavonjy, nankahery ny fianakaviana sy nanamarina ny zava-nitranga niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana. Andrasana indray izay ho tohin’ity vono olona mahatsiravina ity.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.