Nampalahelo ny zava-nitranga tany Mahaditra-Andohatany Fianarantsoa afak’omaly. Lehilahy iray manodidina ny 50 taona eo ho eo voalaza fa niambina ny famboleny tany an-tsaha no namoy ny ainy tamin’ny fomba tsy fantatra.
Misy mangalatra hatrany mantsy hono ny voliny ka nikiry tsy natory tao an-trano izy tamin’io alina io. Efa tsy teo aminy intsony ny filahian’ity lehilahy ity nandritra ny fotoana nahitana ny vatana mangatsiakany. Tsy nisy taova intsony ihany koa izy no sady niala tamin’ny tenany toy ireny noendahina ireny ny hodiny. Tsy nahitana ra niparitaka anefa nanodidina azy. Ny karandohany sy ny taolany sisa araka izany no nahafantarana ity lehilahy ity hoe : olombelona, karazan’irony olona efa maty amam-bolana irony, hoy ny vaovao. Olona sendra nandalo tany an-tsaha moa no nahitana ny vatana mangatsiakany ka nampandre avy hatrany ny mpitandro ny filaminana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Tombanana ho mety nohanin’ny biby na koa novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity lehilahy ity noho izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Izao sisa no nihafaran’ilay Rangahy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.