Vonjy taitra eny ifotony

Mampihena tsy fandriampahalemana ny «Quartier mobile»


  • Talata 06 Aogositra 2024

Eo ambanin’ny fiahian’ny zandarimariam-pirenena ny antsoina hoe kartie mobily na

Quartier mobile», hoy ny fanazavan’ny zandarimaria ao amin’ny kaominina ambanivohitr’Imerintsiatosika. Nomena fiofanana nandritry ny herinandro ireo «Quartier mobile» miisa 200 mahery eo ao an-toerana, hoy ny fanazavana nandritry ny fampahafantarana azy ireo am-pahibemaso tao amin’ity kaominina ity. Ireo zava-mateti-pitranga eny amin’ny fiarahamonina toy ny vaky trano, adin’ny mpivady, ny siosion-dresaka mikasika ny mety ho fisiana fanafihan-daholo na famoahana omby am-pahitra, izany hoe ny resaka vonjy taitra rehetra izany no tena adidin’ireo kartie mobily ireo. Entanina hanao tantsoroka azy ireny moa ny fianakaviana miantso azy ireny na ny fokonolona ihany koa rehefa mba misy, ohatra, famadihana na hetsika ilàna fitandroana filaminana. Na amin’ny andavan’andro aza dia antsoina andro dia andro, alina dia alina izy ireny ary efa misy moa ireo fokontany manao fifampitondrana hoe isaky ny fotoana tahaka an’izao isika dia manome fotsim-bary tahaka an’izao azy ireny, ny anjaran’ny kaominina, hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, dia ny manome fanamiana sy ny resaka tambin-karama na izay ilaina hafa, araka ny fomba fitenenana hoe ny herikerika maha tondra-drano. Somary nangingina, hoy izy, io resaka kartie mobily io teo aloha teo satria variana nanao fotodrafitrasa izahay. Nisy tamin’izy ireo koa nindaosin’ny fahafatesana na tojo tsy fahasalamana na niha lehibe ara-taona dia tsikaritra tao anatin’izay fa lasa nitombo hatramin’ny hala-boty. Rehefa niverina nahetsika indray ireo kartie mobily dia somary niha lefy izany. Nahitàna fihenany ny tsy fandriampahalemana na madinika io na vaventy teto Imerintsiatosika raha nahatsikaritra ianareo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT