Vondrozo, Anjozorobe,…

Faty 3 amin’ny 4 tapa-doha, ranolava ny « kidnapping »


  • Talata 28 Novambra 2023

Mandry an-driran’antsy ny vahoaka any amin’ny distrikan’i Vondrozo Faritra Atsimo Atsinanana

noho ny tsy fandriampahalemana. Mirongatra ny fanapahan-doha, ka raha ny tatitra dia olona 4 no niharan’izany tao anatin’ny herinandro monja. Ny 3 tamin’ireo dia nentin’ireo tsy mataho-tody avokoa ny lohany, ka razana tsy misy lohany sisa no vantanin’ny fokonolona. Tao Mazavalala ao anatin’ny kaominina Manambidala, zaza vao 6 taona monja no tsy hita ny 19 febroary lasa teo. Tao Miarinarivo Andoharano indray ny 22 novambra, dia renim-pianankaviana iray ihany koa no hita faty efa tsy nisy lohany intsony. Lehilahy iray hafa ihany koa maty tsy hita ny lohany ny alin’ny sabotsy 25 novambra tao Mahatsinjokely, raha ka iray andro nialoha an’io izany hoe ny zoma 24 novambra, dia zazavavy iray no maty nisy namono tao Tanandava. Tsy fantatra mazava hoe : tahaka ny tranga niseho tamin’ny halatra voamaso izay tsy tena mazava ny antony ve ity fanapahan-doha sisilany ity sa antony hafa mihitsy ? Inona no hampiasana ilay lohan’olona sa ankasoparana sy habibiana tsotr’izao ? Eo anatrehan’ny zava-misy, mandeha ny fampandrian-tany iarahan’ny zandary sy ny andrimasom-pokonolona any an-toerana, ary naverina ny fanaovana andrimaso amin’ny alina. Nampitomboina ireo zandary hanamafy ny fikarohana sy hazalambo an’ireo olon-dratsy. Raha ny tatitra vonjimaika, dia olona 4 no efa voasambotra, ary voalaza fa efa samy niaiky ho tompon’antoka tamin’ny fanapahan-doha an’ilay zazalahy vao 5 taona. Raha ny vaovao ny faran’ny herinandro teo moa, dia zazavavy iray ihany koa no nisy nikasa hamono fa tafatsoaka. Niantso vonjy izy nanaitra ny fokonolona ka nahatratrarana ilay olon-dratsy nikasa hamono azy, hoy ny vaovao avy any an-toerana.

MIRONGATRA IHANY KOA NY « KIDNAPPING »
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ankehitriny, ary saika ahenoana izany avokoa manerana ny Nosy satria ankoatra ny tranga fanapahan-doha miseho any Vondrozo, dia miverina sy mihamafy ihany koa ny fakana an-keriny na « kidnappin » aty amin’ny faritra somary afovoan-tany manodidina an’Analamanga, Betsiboka, Boeny,… Ny faran’ny herinandro teo izao, dia zanaka mpandraharaha iray no nisy naka an-keriny tany Antanetibe Anativolo distrikan’Anjozorobe. Io vo voalaza fa « kidnapping » fanindiminy nitranga tao anatin’ny iray volana. Tsy arakaraka ilay hoe : vao herinandro lasa no maty voatifitra i Landry isan’ny Raindahin’ny fakana an-keriny tany amin’ny Faritra Alaotra fa toa vao mainka mirongatra.
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT