Fandriampahalemana

Vondrona mpampihorohoro “Etat Islamique” Mikasa hanorom-ponenana ao Mahajanga ?


  • Alakamisy 22 Febroary 2018

Niteraka resabe teto amin’ny firenena ny fisian’ny teratany vahiny hafahafa hita nifamezivezy teto ny faramparan’ny taona 2017, nialohavan’ilay vaovao nampisavorovoro tamina gazety iray fa hampiditra mpitsoa-ponenana ny mpitondra.

Nandiso iny vaovao iny ny fanjakana, saingy nahagaga ny maro kosa ny nahita karazana teratany vahiny be volom-bava sy be rebareba ary misaron-doha nifamezivezy teto Antananarivo sy tamina faritra samihafa. Inona ny fifanarahana nataon’ny fitondrana malagasy sy ny Filoha Tiorka Recep Tayyip Erdoğan tamin’ny fahatongavany teto ? Gaboraraka sy malalaka ny fidiran’ny Tiorka eto noho ilay fanalalahana ny habakabaka amin’ny alalan’ilay hoe “Open sky”. Fiaramanidin’ny Turkish Airlines roa isan-kerinandro mahazaka olona 320 isaky ny sidina no voalaza, fa miditra eto, saingy babangoana rehefa miverina. Mankaiza sy manao inona avokoa ireo olona ireo ? Mivoaka indray ny resaka amin’izao fotoana izao, fa kotrehin’ny Fanjakana Islamika na ny EI atao toeram-pamaharana i Mahajanga. Anisan’ny tetikasan’izy ireo ny fananganana “Université Islamique” any an-toerana, raha siosion-dresaka re, ka tsy hay na misy ifandraisany amin’izany io resaka korontan-dava miseho any amin’ny anjerimanontolon’i Mahajanga io. Paikady anisan’ny fanaon’ny DAESH ny misintona sy mandresy lahatra tanora. Re ihany koa fa tamin’ny andron’ny tetezamita, dia efa nisy ny tovolahy Malagasy maromaro fantatra fa nandeha niondrana tany Syria sy Irak, raha ny resaka mandeha hatrany, ka anisan’ireo nofanin’ny “Etat Islamique”. Efa manomboka resy tosika ny “Etat Islamique” any Irak sy Syria sy any amin’ireo firenena hafa; ka mitady toeram-pamaharana vaovao hahafahany mametraka sy manomana ny paikadiny indray. Lojika be ny mety hisafidianany ny eto Madagasikara, izay mbola mora hierena tsara no sady tsy ampy fanaraha-maso ny sisin-tany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT