Volavolan-dalàna

momba ny heloka an’habaka


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

2-10 taona an-tranomaizina,

onitra 1 hetsy hatramin’ny 100 tapitrisa Ar
Napetraka tao amin’ny Antenimierampirenena ny 28 Aogositra, ary hodinihina mandritra ny fivoriana manokana volavolan-dalàna momba ny heloka an’habaka na « cybercriminalité ». Ity lalàna ity dia mikendry ny hanasazy ireo fanafihana informatika, hosoka an-tserasera, fampiasana anarana sandoka ary votoaty tsy ara-dalàna. Ny sazy dia mety hahatratra 2-10 taona an-tranomaizina ary onitra ara-bola manomboka amin’ny 100 000 ariary ka hatramin’ny 100 tapitrisa ariary, arakaraka ny hamafin’ny heloka. Ankoatra izay, voafaritra ny hananganana rafitra UPIN (Unité de protection et d’investigation numérique), rafitra vaovao hanara-maso sy hamantatra ny loza ateraky ny aterineto, hanohana ny fanadihadiana ary hanamora ny fiaraha-miasa amin’ny manampahefana vahiny. Mikasa ihany koa ny hanasonia ny Fifanarahana iraisan’ny Firenena Mikambana momba ny heloka an-tserasera, antsoina hoe « Convention de Hanoï » i Madagasikara, izay hanamafy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena sy ny fifanakalozana porofo elektronika amin’ny fanadihadiana miampita sisintany. Efa notaterina sy nitondrana fanadihadiana teto ny herinandro lasa teo, fa sokajiana ho efa tsy afa-misaraka amin’ny andavanandron’ny olombelona ny tambajotran-tserasera. 21,8 tapitrisa na 66,2% amin’ny mponina eto Madagasikara no mampiasa finday. Olona 6,71 tapitrisa mampiasa Internet (20,4% amin’ny mponina), ary 7,3 tapitrisa mampiasa tambajotra sosialy (27,5% amin’ny mponina) amin’izao taona 2026 izao, araka ny tatitry ny Digital 2026 Madagascar Report. Ara-toekarena, manodidina ny 3% amin’ny harin-karena faobe na PIB nasionaly ny nomerika hatreto, araka ny tatitra Africarrières sy ny INSTAT. Ny PIB manontolo dia tombanana ho 17,4 miliara dolara, ka ny toekarena nomerika dia mitentina eo amin’ny 520–550 tapitrisa dolara eo, izany hoe misy lanjany lehibe io na heverina fa ambany aza amin’ny isan-jato. Betsaka ireo asa sy sehatr’asa miorina amin’ny nomerika sy ny teknolojia. Andaniny anefa, mila fehezina ireo zava-doza : fisolokiana avo lenta, heloka, asa ratsy, fanalam-baraka,…. Tsy dia tena mbola ampy ny fepetra hentitra sy fanenjehana manodidina ny votoaty mety hitera-doza eto Madagasikara, na efa misy aza ny lalàna 2014-006 sy 2016-031 mikasika ny heloka an’habaka izay manasazy ny fanompàna sy fanevatevana amin’ny tambajotran-tserasera.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT