Volan'ny mpampiasa azy 93 tapitrisa Ar

Nosintonin’ilay rangahy tsikelikely nilokana


  • Alarobia 04 Jona 2025

Ela ny ela fa tratra ilay tovolahy vao 23 taona monja tia loka nahavita nisintona

tsikelikely ny volan'ny mpampiasa azy 93 tapitrisa Ar tao anatin'ny finday. Omaly Talata 03 Jjona no voasambotra teny Ivato ilay ranamana ity. Noho ny fifampitokisana efa nipetraka dia hirahin’ny mpampiasa azy maka vola amin’ny finday ity lehilahy ity ka amin’izay fotoana izay no hanararaotany hamindràny ny vola mankao amin’ny findainy, raha tsiahivina ny tantara. Efa nanomboka ny volana janoary 2025 izy no nanao izany saingy tsikaritr’ilay mpampiasa ihany ny fahambangàna tao amin’ny kaonty.Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nahazoana ny porofo fa laniny tamin’ny loka ireo vola ireo ary niaiky izany ny tenany. « Carte SIM » telo samihafa no nampiasain’ity lehilahy ity nanaovana izany. Tanana hatao andri-maso sy hanaovana fanadihiadiana eo anivon’ny biraon’ny Polisy ity lehilahy ity mialohan’ny hanolorana azy eo amin’ny fampanoavana.
Pati
Légende : Any am-ponja no mety hanohizan'ity tovolahy ity ny fiainany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT