Fandriampahalemana

Volafotsy Ambositra Mpianaka, maty voatsatok’antsy


  • Zoma 29 Jolay 2022

Renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany lahy no fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny tsatok'antsy nahazo azy nandritra ny fanendahana azy ireo tao amin'ny fokontany Volafotsy Ambositra.

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia avy nivarotra izy mianaka ireto no izao nisy nanendaka izao ary efa hiditra ny trano. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola tany amin'ilay renim-pianakaviana izay voatsindrona antsy voalohany. An-tapitrisany izany raha araka ny fantatra. Niaro azy nandritra izany ilay zanany lahy ka nifanenjika tamin'ireo jiolahy. Tamin'izany no nahavoatsindrona antsy azy ka namoizan’ity farany ny ainy ihany koa.Tavela nandritra io fifanenjehana sy fifampitolomana nisy teo amin'ilay zazalahy sy ilay jiolahy io moa ny finday sy akanjo ary ny satrok'ilay jiolahy ka efa eny am-pelatanan'ny mpitandro filaminana. Efa misokatra ny fanadihadiana ary efa miisy ireo olona ahiahiana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT