Fandriampahalemana

Vola sandoka tao Befandriana Sud 1 tapitrisa Ar saika halefa tamin’ny “cash point”


  • Alakamisy 12 Janoary 2023

Mpanaparitaka vola sandoka miisa roa no voasambotry ny zandary tao Befandriana Sud , distrikan'i Morombe afakomaly 10 janoary.

Raha tsiahivina kely ny tantara dia lehilahy iray no nikasa handefa vola 1.000.000 Ar tamin’ny orange money tamin’ny alalan’ny cash point iray tao Befandriana. Tsikaritr'ilay tompon'ny cash point fa sandoka avokoa ireo 20.000 ar noentin'ity ranamana ity ka nampandre avy hatrany ny zandary tao an-toerana ilay lasibatra. Tratra tsy afa-niala intsony ilay lehilahy sy ireo vola saika halefa. Voasambotra ihany koa ilay namany rehefa noterena mba hanoro izay nazahoany ireo vola ireo. Mitohy araka izany ny fikarohana ireo tambazotra mpanao vola sandoka ity ao Befandriana Sud.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT