VOLA SANDOKA, MENAKA SOLOINA RANO MALOTO

Lehilahy miisa 5 no voasambotra tao Fianarantsoa


  • Alatsinainy 21 Jolay 2025

Voasambotry ny Polisy tao Fianarantsoa ny lehilahy iray 39 taona

ny fiandohan'ny herinandro teo, noho ny fanoloany ny menaka sakafo amin'ny rano mba entina hisolokiana. Rano maloto no natakalony ilay menaka tanaty bidon hoamidy ka nisy nampilaza ny Polisy.Nandritra ny fisafoana nataon'ireto farany koa dia voasambotra tao Ampasambazaha Fianarantsoa ny alin'ny 15 Jolay ny jiolahy miisa 3 avy namaky trano. Mbola hita teny amin'izy ireo ny entana halatra avy nangalariny. Fa ankoatra ireo dia lehilahy iray 36 taona mpanaparitaka vola sandoka koa, no voasambotra ny 15 Jolay teo tao amin’ny toby fiantsonana Ankazondrano. Mbola hita tao anaty kitapony ny vola sandoka 20.000 Ar miisa 18. Nampidirina am-ponja vonjimaika avokoa izy dimy lahy ireto taorian'ny fiakaran'izy ireo teny amin’ny fampanoavana datin'ny 18 Jolay teo.
Pati
Légende : Ireo mpanao hosoka sy ireo menaka sakafo tsy izy tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT