VOLA SANDOKA

168 TAPITRISA AR SARONA


  • Alarobia 27 Novambra 2024

Hiakatra fitsarana anio ilay tompon’antoka Lehilahy iray manodidina ny 45 taona no nahatrarana vola sandoka

mitentina 168 tapitrisa Ar afak’omaly Alatsinainy 25 Novambra tany amin’ny distrikan’i Mananjary. Vola 20.000 Ar mitambatra avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Teny amin'ny seranan'Andovosira no nahatrarana azy io taorian’ny velam-pandrika nataon’ny polisim-pirenena. Raha tsiahivina kely ny tantara dia niely ny resaka tao an-tananan'i Mananjary fa misy olona manaparitaka sy mivarotra vola sandoka ao an-tampon-tananan’i Mananjary. Maro ireo efa voafitaka tamin'izany ka tonga nitaraina teny anivon’ny Fokontany. Anisan’ny mbola hanaovana fanadihadiana ity lehilahy ity moa amin’izao ny olona mpiray tsikombakomba aminy sy ny nivian’ireo vola sandoka miampy ny fitaovana nanamboarany azy. Hiakatra fitsarana anio Alarobia 27 Novambra ny raharaha.
Pati
Legende : Ity ilay lehilahy sy ireo vola sandoka tratra tany aminy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT