Ampefiloha. Nanao “dépot” fandrotsaham-bola mitetina 200 000Ar teo amina cash point akaikin'ny hopitaly HJRA ity lehilahy ity.
Hatairana ny an'ilay mpiasan'ny cash point mobile money noho ny fahitana fa vola sandoka avokoa no voarainy. Nampandre ny mpitandro ny filaminana ity farany ary nifanenjehina ka voasambotra teny Ampefiloha ilay lehilahy. Rehefa natao ny fisavana dia vola sandoka maromaro no tratra teny aminy, ankoatra ny karazana ody, izay mety fampiasany amina asa ratsy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.