Fandriampahalemana

Vola famangiana manjo notsiriritin’ny jiolahy Olona roa voatsindron’antsy, iray namoy ny ainy


  • Talata 21 Martsa 2023

Tsy hita intsony izay hanazavana ny endrika hisehoan’ny tsy fandriampahalemana eto amintsika ankehitriny.

Ankoatra ny hala-botry sy ny vaky trano dia efa miditra an-keriny any amin’ireo tokantrano misy fahoriana ihany koa ny jiolahy amin’izao indrindra fa ireo mpanam-bola mba handraofany ny fao-dranomaso anaty valopy aterin’ireo mpamamgy. Omaly hariva tokony ho tamin’ny 05 ora dia tokantrano iray no lasibatr’izany tao amin’ny Fokontany Ianjanina ambonin' i Tambohomandrevo ao an-tampon-tananan’i Fianarantsoa. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia mody niditra toy ny mpamangy fahoriana rehetra izy ireo. Raha vantany vao tafiditra anefa ireto farany dia nanambana antsy ny tompo-manjo hoy hatrany ny vaovao ka ny sasany nandroaka ny vola tao anatin’ny toerana nametrahana izany raha niady tamin’ireo tompo-manjo ny sasany. Vokany, olona roa naratra mafy voatsindron’antsy ka ny iray namoy ny ainy nanaraka ilay efa maty. Fianakaviana ity farany raha araka ny fantatra. Roa tamin’ireo jiolahy mpanafika ihany koa no voalazafa maty raha tafaporitsaka ny ambiny izay nahatratra dimy teo ho eo. Efa nampandre ny mpitandro ny filaminana moa ny tompo-manjo hahafahana miaro ny ain’izy ireo.
Pati
Legende : Nolanjaina tahaka izao hamonjy ny hopitaly ilay olona iray tao anatin’ny fianakaviana voatsindron’antsy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT