VOKATRY NY TSY FANANAN’ASA

Mitombo ireo mpanao sinto-mahery eto an-drenivohitra


  • Alarobia 23 Jolay 2025

Mitombo isa isan’andro ireo mpanao sinto-mahery eto an-drenivohitra.

Vokatry ny tsy fananan’asa amin’ny ankapobeny no antony mahatonga izany ka manosika ny sasany hanaotao foana indrindra fa ireo mamelom-bady aman-janaka. Lehilahy iray nanao sinto-mahery findain'olona nandalo teny Anosy no hitan’ireo Polisy afak’omaly Alatsinainy 21 Jolay atoandro ka raikitra ny fanenjehana azy. Tsy lasa lavitra fa teo akaiky teo ihany dia voasambotra ilay ranamana ka rehefa nosavaina dia nahitàna finday miisa efatra, izay finday halatra avokoa, tany aminy. Avy hatrany dia nentina teny amin’ny biraon’ny kaomisaria Mahamasina ity mpanendaka ity nanaovana fanadihadihana sy hatao andri-maso ary mety hiakatra Fitsarana anio. Tsiahivina moa fa ankoatra ny mpanolana sy ny mpivaro-drongony dia ny mpanendaka no tena mameno ny fonja amin’izao.
Pati
Legende : Saika Raim-pianakaviana mamelon-jakana ny ankamaroan’ireo mpanendaka eto an-drenivohitra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT