Fandriampahalemana

Vokatry ny tsy fananan’asa Mirongatra ny halatra voamaso sy taova ao Toliara II


  • Talata 14 Febroary 2023

Tsy an’asa ny 90%-n’ireo tanora ao anatin’ny distrikan’i Toliara II. Lasa manaotao foana avokoa ny ankamaroan’izy ireo vokatr’izany,

antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tsy mijanona amin’ny halatra madinika intsony izany fa efa miroso amin’ireo asa ratsy tsy fahita hatramin’izay ireo tanora ireo toy ny halatra voamaso sy ny halatra taova. Am-polony ireo efa lasibatra hatreto ka anisan’ireny ny vehivavy nalana taova sy ireo ankizikely nalana voamaso. Manjaka ihany koa ny vaky fasana sy ny halatr’omby hoy hatrany ny vaovao. Miantso ny fitondram-panjakana araka izany ny kolonely misotro ronono Rabearilaza Jean manoloana izany toe-draharaha mampalahelo an-toerana izany. Hangatahany araka izany hanokafana indray ny orinasa Base Toliara, izay hanome asa mivantana ho an’ny mponina. Hangatahiny ihany koa ny hijerena akaiky ny fanatsarana ny fambolena sy ny fiompian’ny mponina ialana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere izay mahazo ny ankamaroan’ny mponina amin’izao fotoana indrindra fa ireo ankizy latsaky ny 5 taona.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT