VOKATRY NY HAKAMOANA

Tovolahy roa manangona entana halatra ao an-tokantranony


  • Zoma 10 Janoary 2025

Betsaka ireo olona tsy te-hisasatra nefa te hiaina amim-pilaminana amin’izao fiainana sarotra izao.

Tovolahy miisa roa mbola mirijarijabe no tsikaritry ny fokonolona tao Ambovokely Fokontany Ikianja Kaominina ambanivohitr’ Ambohimangakely nihaodihaody eran'ny tanàna fotsiny ary tsy mba misy anton'asa raikitra hataony nefa koa tsy mba hita manao asa an-tselika mihitsy.Rehefa niantsoana zandary izy ireo dia nosamborina ary nilaza fa manana trano fonenana ka rehefa nosavaina dia hita tao avokoa ireo entana maromaro mampiahiahy izay fantatra fa tsy misy hifandraisany amin'ny tokantranon-dahin'izy roalahy. Anisan’izany ny kojakojan-dakozia, vata fahitalabitra, fera fipasohana, masinina fanamboarana ranom-boankazo…Nandritra ny fisamborana azy ireo dia efa nisy nahatadidy ho isan'ny nanafika ary tena nitondra basy mihitsy tamin’ny datin’ny 01 Janoary 2025 tamin'ny 01 maraina teo izy ireo ka very tamin'izany ny vola 500.000 ar, finday roa ary kojakojan-dakozia.Nisy olona hafa koa tonga nijery azy roalahy ka rehefa nizaha ireo entana dia fantatra fa isan'ireo entana nangalarin'ny jiolahy tamin'ny alalan'ny vaky trano tamin’ny andro atoandro ny vilany miisa 2 sy vilia mélamine maromaro teo. Samy 21 taona moa izy roalahy ireo ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT