Fandriampahalemana

Vohiposa RN 7 Taksibrosy iray voatafika, jiolahy iray no maty


  • Alatsinainy 29 Jolay 2019

Mihamahazo vahana indray ny fanafihan-jiolahy any amin’ny lalam-pirenena fahafito.

 

 

 Taksibrosy iray avy any Toliara hihazo an’Antananarivo indray mantsy no lasibatra ny zoma alina lasa teo tao Antaretra Vohiposa. Araka ny fantatra, tafasaraka tamin’ireo fiara namany niara-nandeha taminy ity taksibrosy iray ity. Nahatsara zavatra anefa ny fisiana zandary nanaraka ny fiara tao anatiny ka raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Tsy nahazo na inona na inona tany amin’ireo mpandeha ireo jiolahy. Iray kosa no lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana 20 metatra niala tamin’ny toerana nisian’ny fifandonana ary efa nozahana akaiky. Ny sabotsy hariva teo ihany dia namory ireo mpampiasa taksibrosy mampiasa iny lalam-pirenena fahafito iny ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena ao Fianarantsoa. Nantitranteriny fa tsy tokony hisaraka amin’ny namany ireo fiara fitaterana mandeha alina na iza na iza hiarovana ny ain’ny mpandeha sy ny mpamily ary ny fananany, indrindra amin’izao ankatoky ny vakansy lehibe izao.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT