Fandriampahalemana

Vohipeno Nisy nangalatra ny moteran-tsambon’ny BNGRC


  • Alatsinainy 25 Aprily 2022

Lehilahy miisa 03 no nosamborin’ny ny Polisy miasa ao Vohipeno rehefa nangalatra moterana sambon'ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary any an-toerana.

Tonga nametraka fitarainana tao amin'ny Polisy ny lehiben'ny Distrika any an-toerana mikasika ny fahaverezan'ity moterana sambo ity. Araka ny fantatra dia ny alin'ny 17 aprily hifoha 18 aprily no nanjavona izy io. Very tamin'izany ny motera marika PARSUN 60 Chevaux iray. Tonga teny an-toerana ireo Polisy nanao ny fanadihadiana ka tamin'izay no nahafantarana ny fiara izay nampiasain'ireo jiolahy nitondrana ilay motera. Fantatra noho izany ny tompon'ilay fiara ka nosamborina avy hatrany natao famotorana tao amin'ny birao. Ity farany no nanondro ireo namany roalahy niaraka nanatanteraka ny asa ratsy taminy ka nosamborina ihany koa. Efa natolotra ny fitsarana ny 23 aprily teo avokoa izy telo lahy ireo ary samy efa naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT