Fandriampahalemana

Voasaringotra amina vono olona Zandary iray nidoboka am-ponja


  • Alarobia 06 Mey 2020

Zandary iray, kilasy faharoa, niasa tao amin’ny Brigady Anahidrano any Antsohihy no nampidirina am-ponja vonjimaika ny 4 mey 2020.

 

 

 

 

 

Voarohirohy amina raharaha vono olona izy, kanefa nitsoaka ka nampitombo ny ahiahy. Tratra ary nalefa any am-ponja miandry ny tohiny. Nahatratra 84 ireo zandary nidoboka am-ponja nandritra ny taona, noho ny fandikan-dalàna sy heloka bevava vitany, araka ny tatitra teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Hatramin’ny fiandohan’ity taona 2020 ity, dia efa nisy 35 ireo zandary namoahana taratasy fanenjehana. 18 notanana am-ponja vonjimaika, 8 nahazo fahafahana vonjimaika. Zandary 1 nahazo fahafahana. Misy 3 ireo raharaha efa vita famotorana ka hatolotra ny Fitsarana, ary misy dosie 5 hafa an-dalam-panaovana famotorana amin’izao fotoana izao. Tsy mitsitsy ny eo anivon’ny fiadidian’ny zandarimariam-pirenena eo anatrehan’ny fihoaram-pefy ataon’ireo zandary.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT